Actualités

Antenimieran’ny varotra Toamasina Ahiana hisy sakoroka anio, hanao sakana ny mpiasa


  • Zoma 29 Aprily 2011

Marisarisa ny fiarahamonina eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT) ary ahiana hivadika sakoroka izany amin’ity anio ity.

Mikasa ny hampanao fivoriana amin’ireo mambra ao mantsy ny ministeran’ny varotra, tamin’ny alalan’ny taratasy nosoniavin’ny sekretera jeneraly, Zafinandro René Max, Laharana 44-2011/MC/SG/DPTR ny 26 aprily, izay nanemotra ny fivoriana nokasain’ny filoha teo aloha Randriantsalama Jackie, ny alarobia 27 aprily teo. Vokatr’io dia mikasa ny hanao sakan-dalana tsy hidiran’ny mpivory ny mpiasa. Hentitra ny tenin’ireo mpiasa nilaza fa «gaboraraka ny fitantanana ny Antenimieran’ny varotra Toamasina». Fantatra koa izao, fa am-perinasa ny «Inspecteur Général du Gouvernement» hanadihady momba ny fampidiram-bola sy ny fampiasam-bola ary ny fandaniam-bolan’ny CCIT taorian’ny fangatahan’ny mpiasa efa ela ary novalian’ny minisitry ny varotra teo aloha ary nohamafisin’ny minisitra ankehitriny.

Voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny mpikamban’ny Antenimieran’ny varotra malagasy rahateo, ao amin’ny andininy faha-41 fa «raha misy ny fitoriana itambaram-be ataon’ny mpikambana amina mpikambana iray manao hadisoana goavana, dia mihantona avy hatrany amin’ny maha mpikambana azy izy». Ankilan’izay dia mivoaka tsikelikely ireo tsiambaratelo nahatonga ny tsy fisiam-bola tao amin’ny CCIT, tamin’ireo bizina sy fanomezana tombodahiny ary fanenan-ketra tamina mpandraharaha sasantsasany. Raha atambatra ny hita hatreto aloha, dia kaontenera niisa 163 no navoaka tsy nandoavana hetra afa tsy 10% monja, ka raha 500.000.000 ariary ny vola tokony hiditra, tsy nisy afa tsy 50.000.000 ariary izany.

Milaza ny tsy handefitra noho ny famotehana ny CCIT ny mpiasa, ka tsy hanaiky hatramin’ny farany ity fivoriana hatao anio ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT