Mankato ny fahalanianay ato amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena vaovao ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana matoa izahay nekena hijanona hanatanteraka ny fampandehanan-draharaha eto amin’ity Lapam-panjakana ity, hoy ny kestora faha-II Rakotomanga Lanto. Nambarany fa mirindra ny asa hatreto saingy ny vola hampiasaina no olana satria mbola miankina amin’ny filankevitry ny governemanta ny fankatoavana izany noho ny tsy mbola fisian’ny praiminisitra ofisialy hanendry minisitra vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.