Actualités

Antaninandro Misy zatovolahy manakorontana foana amin’ny alina


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Mitaraina fatratra ny amin’ny tabataba sy korontana miseho matetika eny amin’iny faritra Antaninandro midina mankany Sainte Marie kely iny ireo mponina eny an-toerana.

Vao afak’omaly alina ohatra raha araka ny vaovao azo dia tovolahy kely iray tsy lavitry ny toeram-pivarotana iray eny Antaninandro no mamon-drongony sy toaka ka nitabataba mafy tamin’ny mozika hatramin’ny 12 alina. Taorian’izay dia nivoaka nitady ady tamin’ny manodidina izy no sady mandranitra ady. Raha araka ny fantatra dia manomboka amin’ny 9 alina eo foana izy no manao izany. Efa azon’ny polisy moa ity vaovao ity koa inoana fa handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany izy ireo. Voarara mantsy ny fakarontanana olona amin’ny alina indrindra amin’izao fiainana efa tena manahirana ilana fitonian-tsaina izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT