Antanimora Atsimo - Ambovombe Androy

> Dahalo iray no maty niharan’ny hatezeran’ny Fokonolona


  • Talata 03 Septambra 2013

Nitrangan-javatra mampalahelo tany Antanimora Atsimo distrikan’Ambovombe Faritra Androy ny sabotsy 31 aogositra teo fa notafihan’ny dahalo sy nodorany ny trano fonenan’ny olon-tsotra iray efa zokinjokiny ihany, Atoa Velonaly, ary dia norobain-dry zareo tamin’izany ny volan’ity rangahy ity.

Tratran’ny zandary ny dahalo 3 lahy nahavanon-doza ka nentiny tao amin’ny borigady. Tezitra noho ity zava-nitranga ity anefa ny Fokonolona marobe ka nangataka ny hamoahan’ireo zandary azy 3 lahy ireo hatao fitsaram-bahoaka. Sendra ny be no ho vitsy ireo zandary ka tsy nahasakana ny faharomotan’ny olona ary dia tafavoakan’ny Fokonolona tao ny iray tamin’ireo jiolahy ka nodorany velona. Ny roa kosa dia tafaporitsaka nitsoaka ka tsy azo. Araka ny tati-baovaon’ny MCT Damy avy amin’iny Faritra iny, dia efa tsy matoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka amin’ny raharaha tahaka itony ka naleony nandray fepetra ho azy manokana na dia voararan’ny lalàna aza izany. Nambarany fa tsy hisy fifidianana ho vanona izany any raha izao no mitohy, satria ny tany tsy milamina tsy hahazoana mamokatra izao no mahavaky ny sain’ny mponina fa tsy izany resaka politika izany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT