Actualités

Antanimena May niaraka tamin’ny trano ilay ramatoa


  • Zoma 10 Jona 2022

Nitrangana haintrano mahatsiravina tetsy Antanimena, kaominina Antananarivo omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 04 ora maraina.

Tsy fantatra mazava izay niandohan’ny afo fa hany nanaitra ny manodidina dia ny fanehoana hafanana be niampy fipoapoahan-javatra raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Ramatoa iray lehibe voalaza fa mipetra-drery, 89 taona no fantatra fa namoy ny ainy tao an-toerana . Levon'ny afo avokoa moa ny efitrano tao ambony rihana rehetra raha tsy dia naninona kosa ny tao ambany rihina. Efa tonga naka ny razana moa ny fianakaviany ary nitondra an-dRatompokovavy natao "autopsie" . Eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha no fantatra fa nanaovan’izy ireo izany raha araka ny fanazavan'ny Sefom-pokontany ao an-toerana. Tsy mbola fantatra moa izay tena antony nahatonga ny afo. Na izany aza efa miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana izay tonga maro teny an-toerana tamin’io andron’ny omaly io ihany. Amin’ny ankapobeny moa dia mety sy tsara raha mba misy olona miaraka aminy hatrany ireny zokiolona ireny. Tsy voafetra izany na ao an-tokantrano ao na eny an-dalana. Rehefa diso miakatra mantsy ny taona dia mety tsy ho tadidin’izy ireny intsony ny zavatra nataony na noraisin’ny tanany nefa mety hahafaty tampoka. Nangonin’i Pati Legende : Nandritra izay firehetana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT