Actualités

Antanimbarinandriana Nimenomena ny ray aman-drenin’ireo mpanala CEPE


  • Talata 12 Jolay 2011

Tontosa omaly manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana CEPE.

 Nizotra tam-pilaminana izany amin’ny ankapobeny raha ny tatitra nomen’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Nitsidika ivontoeram-panadinana tetsy amin’ny EPP Anosibe sy Antanimbarinandriana koa ny minisitra Rabenirina Jean Jacques omaly nialoha ny fidirana ny tolakandro ka nitafa tamin’ireo mpiambina sy ny lehiben’ny ivontoerana momba izay fizotry ny fanadinana izay. Tsy nisy olana goavana niseho tao amin’ny Epp Antanimbarinandriana satria ampy avokoa ny laza adina, tsy nisy nanadino ny fiantsoana ny mpiadina izay tonga ara-potoana avokoa. 20 mahery kosa anefa ireo tsy niatrika ny fanadinana raha 1.699 no voasoratra anarana teny an-toerana araka ny nambaran-dRandriamampianina Salomon, chef de centre. Ny tetsy amin’ny Epp Anosibe no nisy mpiadina iray nanadino ny karany fa nalamina ihany. Ray aman-drenin’ny mpianatra am-polony izay nijanona teo anoloan’ny vavahady kosa no nimenomenona rehefa tsy nankasitraka io fitsidihana nataon’ny manampahefana io. Nilaza mantsy izy ireo fa manakorontana ny sain-janany satria tsy ahafahan’ireto farany mifantoka amin’ny fanadinana atrehany ny fidirana fiara sy olona maro tao amin’ny tokotanin’ny sekoly.

Ireo mpianatra izay nanontaniana kosa dia samy nanamarika fa mora ny laza adina kajy sy ny laza olana izay tena natahoran’ny maro. Toraka izany koa ny tantara izay nanontaniana azy ireo ny fomba nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Anio ihany dia efa manomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana, araka ny nambaran’ny minisitra. Tsy nanambara ny daty ivoahan’ny valiny kosa ny tenany saingy nanamarika fa tsy maintsy atao araka ny fenitra ny fitsarana. Ankoatra izay dia misy ny fiaraha-miasan’ny ministera amin’ireo tambajotra misahana ny fifandraisan-davitra hamoahana ny valim-panadinana amin’ny alalan’ny finday.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT