Actualités

Antanifotsy Sambava Nitrangana haintrano, lasa lavenona ny entana rehetra


  • Zoma 29 Jolay 2022

Fianakaviana am-polony no traboina tsy manan-kialofana any amin’ny Fokontany Antanifotsy, kaominina sy distrikan’i Sambava.

Vokatr’ilay hain-trano nampalahelo nitranga tany an-toerana no nahatonga izany, tranga niseho ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Tapitra lasa lavenona nandritra ity haintrano ity avokoa ireo entana rehetra tao anatin’ireo trano may. Na izany aza tsy nisy kosa ireo naratra na ny aina nafoy hoy hatrany ny vaovao. Mbola tsy fantatra mazava moa hatramin’ny omaly hariva nanoratanay ny antony nahatonga ny firehetana. Na izany aza efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana sy mpiray tanindrazana kosa ireo niharam-boina hahafahany mihoatra amin’ny fiainana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT