Actualités

Antanetibe Ambohimanambola Maty an-dàlana ilay mpitaingina bisikileta


  • Talata 26 Janoary 2021

Raim-pianankaviana iray nitondra bisikileta no tojo tsy fahasalamana tampoka,

 

 

 

hitan’ny olona teny Antanetibe Ambohimanambola omaly. Olona roa izy ireo no voalaza fa niaraka, saingy tsy nifankahalala fa noho ny maha samy nitondra bisikileta, dia niara-naka aina, raha ny fanazavana vonjimaika. Nisy nandalo, ary nilaza izy ireo fa reraka, ka maka aina, saingy tampoka teo dia niantso ilay iray hoe vonjeo fa hafahafa ity, ka niaraka namonjy azy tamin’ny alalan’ny “massage cardiaque” saingy indrisy fa tsy tana ny ainy na mbola niaina aza izy, hoy ny nanatri-maso. Voalaza fa nisy fiara nandalo ihany, saingy nitazam-potsiny. Tsy fantatra mazava izay tena aretina nahazo azy, fa mety ho isan’ny antony ny faharerarahana diso tafahoatra. Tsy hanohanana no nahafaty azy, fa mety resaka fo, hoy ny fanamarihana. Mbola afaka nilaza ny mombamomba azy rahateo ny tenany nialohan’izay, ka mpandrafitra izy, voalaza fa avy any Ambohitsoa izy sy Ambohitsoabe no niainga. Tsy aiza ireo tanàna ireo, fa fokontany samy ao anatin’ny Kaominina Miadanandriana any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tena toerana lavitra satria mbola manodidina ny 65 km any ho any miala an’Antananarivo izany no mety nandehanany am-bisikileta, raha nanitsy avy any Ambatomanga.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT