Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Vinavinaina tsy hisy intsony ny delestazy manomboka anio


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Vinavinaina tsy hisy intsony ny delestazy na ny fahatapahan-jiro matetika manomboka anio alarobia 18 Oktobra eto Antananarivo sy ny manodidina.

Raha 90 Mw mantsy ny herinaratra novokarin’ireo milina mpamokatra herinaratra ao Andekalela teo taloha dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 120 Mw izany manomboka izao, indrindra taorian’ny nametrahana ilay G2. Efa vita afak’omaly folakandro ny dingana rehetra hampiodinana ilay milina G2, hoy ny vaovao. Toraka izany koa ny fametrahana ilay fitaovana mpamokatra herinaratra fahaefatra. Ho an’ny teny amin’iny Faritra Itaosy iny dia tsy tapaka mihitsy ny jiro omaly tontolo andro fa mba afaka niasa tamim-pilaminana avokoa ny rehetra. Na izany aza mbola nisy faritra vitsivitsy voakasika ihany teto an-drenivohitra. Ny hany mampitaraina ny isan-tokantrano sisa dia ny tokony hijeren’ny JIRAMA akaiky ny vidin-jiro izay tsy mitsaha-midangana raha tena marina fa tsy hisy intsony ny delestazy. Na dia efa novaina aza mantsy ny ankamaroan’ireo fitaovana hampiasaina ao an-tokantrano dia tsy miova mihitsy ny vidin-jiro. Lohalaharana amin’ireny ny takamoa izay efa ezahin’ny isan-tokantrano hatao amin’ilay mitsitsy. Efa hahena ihany koa ireo fitaovana mila herinaratra miasa ao an-tokantrano saingy mbola ny eo ihany no eo.
Pati
Legende : Mampanantena jiro tsy tapaka intsony ny JIRAMA manomboka izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT