Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Na tsy misy rano, na misy fa miloko volon-tany


  • Alatsinainy 29 Novambra 2021

Niha mafy ny herinandro teo ny fitokonan-drizareo teny Ambatomaro teny noho ny fijaliana amin’ny tsy fisian-drano. Sady efa mila mifoha maraina be,

 hoy ireo fitarainana, no mbola tsy hay koa na hahazo na tsia ity ranon’ny JIRAMA zara raha misy sy miloko volon-tany ity. Ny mponina any Andranovelona Ilafy moa dia misy mahavatra mitondra fiara manokana mihitsy, ireo izay manana izany, hiakarana aty an-drenivohitra hakana rano amin’ireo Havana mbola mba afaka mamatsy izany. Mafy dia mafy koa io fahatapahan-drano tsy voafehy io eny amin’ny boriboritany fahadimy eny ary tsy vao izao io fa efa matetika saingy tamin’ity no tena tsy zaka, indrindra, ety aminay, hoy ny mponina eny Amboditsiry iray. Ireo mponina eny Itaosy moa dia mila hiteny maloto imasom-bahoaka mihitsy entina hilazana fa tena leo sy tofoka tanteraka amin’ity fijaliana ara-drano ity. Teny Itaosy izay misy faritra sasany 1 ka hatramin’ny 3 ando tsy misy rano. Mbola misy maharitra noho izany ny faritra sasany eto Antananarivo raha nyfiresaky ny olona. Asa na mbola ho fanesorana tompon’andraikitra ihany no vahaolana hitan’ny fitondram-panjakana na mba efa ho vahaolana hafa tena miteraka fahombiazana lavitra amin’izay.
J. Mirija
Legende: Dia sanatria ve mbola hiova ho loko maloto kokoa noho izao izy ity?
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT