Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Maro ny faritra tsy nahitana solika omaly hariva


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Nanahirana ny fitadiavana solika teto Antananarivo sy ny manodidina omaly hariva. Tamin’iny faritra avaratra kelin’ny renivohitra iny ohatra omaly takariva,

 dia tena tsy nahitana ny ankamaroany . Toby mpaninjara solika miisa 3 samihafa samy tsy nahitana solika omaly takariva teny Sabotsy Namehana. Ny teo Ambohitrarahaba kosa nilaharana. Ampahany ihany ireo, fa maro no nisehoan’io, raha ny vaovao azo. Misy olana ve ny famatsiana solika sa antony hafa mihitsy ? Tsara ny mampahatsiahy fa talohan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny 11 jolay lasa teo no nahitana filaharam-be teny amin’ny toby mpaninjara solika sasany na teto Antananarivo na tany amin’ny faritra. Nisy ny famerana ny solika azo novidiana tamin’izany. Toa misy toe-javatra hafahafa miseho indray ankehitriny mikasika ny solika ka andrasana ny fanazavana ofisialy hoe: inona marina ny zavatra tena miseho? Misy indray ve ny fifanenjanana eo amin’ny orinasan-tsolika sy ny Fanjakana na efa nisy aza ny fampiakarana vidin-tsolika nidangana? Nanao ahoana ny resaka trosa nifampiditra?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT