Anisan’ny asa tranainy indrindra ary azo lazaina ho mamelona ankohonana maro ihany koa ny asa fivarotan-tena maneran-tany. Misedra olana anefa ity asa ity ankehitriny, indrindra fa eto an-drenivohitra.
Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivaro-tena iray mantsy dia nihena hatrany amin’ny 50% ny mpanjifan’izy ireny amin’izao. Isaky ny faran’ny herinandro vao mba mahita vola hatramin’ny 10.000 Ar hoentina mody ireo mivarotra ny tenany amin’ny alalan’ny 5.000 Ar raha zara raha mahita kosa amin’ny andavanandro. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia voatery mampidina ny saran’ny vidin’ny tenany izy ireo noho izany indrindra fa ireo sokajy heverina ho sahirana indrindra. Eny Anosy sy ny manodidina no tena ahitana ireto farany izay efa mivarotra ny tenany amin’ny alalan’ny 500 Ar tsy miditra any anaty efitrano fatoriana fa eny rehetra eny dia vita. Nomarihin’ity Renim-pianakaviana mpivaro-tena nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ity moa fa na hiova asa hafa aza izy ireny dia tsy mahita irika intsony. Ho an’ny asa fanasan-damba ohatra dia efa samy miezaka manasa tsikelikely ny azy avokoa ny ankamaroan’ny isan-tokantrano amin’izao hampihenana ny vola mivoaka. Vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Tsy maintsy miaina amin’ilay 500 Ar…. araka izany ireo mpivaro-tena amin’ny sokajy tena sahirana sitrany ahay kafe sy mofokely entiny mody hatao sakafon-janany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.