Natokana hankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny omaly 07 aprily 2022. Noho ny tontolo iainana izay mifamatotra mandrakariva amin’ny fahasalamana,
nosafidiana manokana ny lohahevitra hoe : «antoky ny fahasalamantsika ny Tontolo iainanantsika» satria ny fandotoana tontolo iainana dia isan'ny mitondra voka-dratsy hoan'ny fahasalamana. Ho an’ny eto an-dRenivohitr’i Madagasikara, efa tena zava-doza ny tahan’ny fahalotoan'ny rivotra, izay voalazan’ireo manam-pahaizana fa avo 4 heny mihoatra ny fenitra ara-pahasalamana. Raha ny mari-drefy navoakan'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) mantsy ,dia tsy tokony hihoatra ny 25ug/m3 ny tahan’ny fahalotoan'ny rivotra. Mihoatra avo efatra heny na avo dimy heny amin'izany anefa ny eto andrenivohitra indrindra ny volana septambra, oktobra ary novambra lasa teo, hoy ny manam-pahaizana eo anivon’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Mandeha ny fikaroham-bahaolana sy fikotrehana tondrozotra hiatrehana sy hiadiana amin'ny fahalotoan’ny rivotra mba hahafahana mitantana sy mandrindra izany, ka miara-misalahy amin’io ireo sehatra sy sampan-draharaha voakasika. Resaka fahasalamana ny lohahevitra, saingy mivalampatra kokoa ny tontolo iainana noho ny anjara toerany. Na izany aza, hetsika maro no notanterahan'ny ministeran'ny Fahasamam-bahoaka nanerana an’i Madagasikara nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana. Isan’izany ny Fizaham-pahasalamana maimaimpoana izay notanterahina tetsy Mahamasina, fanentanana ara-pahasalamana, fivoriana ara-siantifika izay niompana amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahalotoan'ny rivotra. Tsy hijanona amin’ilay omaly fotsiny ny fankalazana fa hitohy mandavan-taona, hatomboka amin'ny fanentanana ara-pahasalamana isak'erinandro ao anatin’ny tambazotra serasera "Bemiray”, izay mifantoka betsaka amin’ny ara-pahasalamana, hoy ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.