Actualités

Antananarivo Renivohitra sy ny Région Ile De France Mitohy ary hohamafisina ny fiaraha-miasa


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Samy naneho fahavononana hifanome tanana ho amin’ny tombontsoan’ny mponin’Antananarivo ny roa tonta nandritra ny fihaonana narahina dinik’asa tany Paris, tamin’ny fandalovan’ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana.

 

Nihaona tamin’ny Filoha Lefitry ny Région Ile De France, izay eo am-pamaranana ny fe-potoam-piasany, David Douillet, sy ny Filoha Lefitra vaovao Othman Nasrou, notronin’ireo mpiara-miasa aminy izy tamin’izany.

 

Nisy koa ny fihaonana narahina dinik’asa nifanaovany tamin’ny Talem-paritra Misahana an’i Afrika ao amin’ny Sampandraharaha Frantsay Momba ny Fampandrosoana (AFD), Jean-Pierre Marcelli, tao amin’ny foiben-toeran’ny AFD tao Paris ihany. Nandritra izany no nanaovana jery todika ny fiaraha-miasa efa tontosa, namaritana ireo tetikasa tokony hotanterahina mandritra ity taona ity sy ny amin’ny taona manaraka. Nanatrika ny dinika rehetra ny Tale Jeneralin’ny AFD izay vao haingana no nandalo teto an-drenivohitra. Tsy tanteraka tamin’ny ora farany kosa ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny Sekretera Jeneralin’ny OIF, Michaelle Jean noho ny antony fandaminana ara-potoana. Niara-dia hatrany, nanotrona ny Ben’ny Tanàna nandritra ireo fihaonana ireo ny Talen’ny Kabinetrany Rakotoarivony Jean-Pierre sy ny Mpanolotsaina Ralison Hélian.

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT