Actualités

Antananarivo Renivohitra sy Moroni Sehatra efatra no hiaraha-miasa


  • Alarobia 20 Jolay 2016

Sehatra efatra no hiarahan’ny Kaominina Antanananarivo-Renivohitra sy Moroni Renivohitr’i Comores miasa. Nivoitra izany omaly nandritra ny fitsidihan’ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny tanàna

sady Ben’ny tanàna Mpisolo toerana Vonjimaikan’i Moroni, Dada Mustapha Chamsoudine ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, nahitana ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna Andriamorasata Julien sy ny Talen’ny Kabinetra Rakotoarivony Jean Pierre. Ireo sehatra efatra hiaraha-miasa eo amin’ny tanàna roa ireo dia fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, ny tanora, ny lafiny kolontsaina ary ny tontolo iainana, amin’ny maha samy firenena manana harena ara-boajanahary tsy manam-paharoa an’i Madagasikara sy Comores.

Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa’ny tanàna aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana izao fitsidihan’ity vahiny ity izao. Efa tatsy Port-Louis, Renivohitry ny Nosy Maorisy izy, talohan’izao nivahinianany teto Antananarivo. Izany dia fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena samy ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, izay i Comores no filoha mpitarika amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Iraisampirenen’ireo Ben’ny Tanànan’ny Tany Miteny Frantsay na AIMF koa. Amin’ny volana aogositra ho avy izao farafahatarany dia efa hisy ny dinik’asa eo amin’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo sy Moroni, ho fanatanterahana ireo fiaraha-miasa efa voafaritra ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT