Actualités

Antananarivo Renivohitra Ny tsy fahampian’ny fitaovana no mampivangongo ny fako


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Tsy misy toerana izay tsy ahitana fako mivangongo eto Antananarivo renivohitra amin’izao. Ho any eny Andravoahangy eny dia saroman’ireo mpivarotra taratasy sy sachet plastika

 mihitsy izany mba tsy hamoaka fofona fa tsy misy hivarotany. Ny eny Ambodin’Isotry indray dia zary lasa fiainan’ny mpivarotra ny miaraka amin’ny lalitra sy ny voalavo nefa sakafo manta avokoa no hamidiny ahitana ireo akoho fakana nofony…Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, miahy ny rantsana SMA izay mpandroaka ny fakon’Antananarivo miazo an’Andralanitra dia noho ny tsy fahampian’ny fitaovana no mahatonga izany. Na izany aza anefa dia fantatra fa efa mitady vahaolana izy ireo. Anisan’ireny ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Japonais. Amin’ny volana Novambra sy desambra any ho any no fantatra fa ho avy ny kamiao hitaterana ny fakon’Antananarivo. Ho avy ihany koa ny engin izay handraofana ny fako eny Andralanitra. Mikasika ny zaridain’Ambohijatovo manokana moa dia fantatra fa tonga nitsidika izany ny Ben’ny tanana Naina Andriantsitohaina omaly no sady nanafatra fa isaky ny faran’ny herinandro ihany no azo tsidihina ny toerana ho fiarovana ireo foto-drafitrasa mbola tsy vita tsara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT