Actualités

Antananarivo Renivohitra Nohamafisina ny fisavana kara–panondro


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Mitohy hatrany ny hetsika fisavana kara-panondro ataon’ireo mpitandro ny filaminana eto an-drenivohitra, indrindra amin’ireo mpandeha alina.

 Voalaza fa manodidina ny olona telopolo eo ho eo no tafiditra “violon” etsy Tsaralalana isan’andro, ka tsy manana karatra avokoa ny ankabeazan’izy ireo. Maharitra hatramin’ny 48 ora ny fitazonana olona ao, ary tsy maintsy misy ny fanamarinana atao ilay olona na ny fanateran’ny havany ny kara-panondrony vao afaka mivoaka ilay olona voatazona. Raha misy moa ny mampiahiahy momba ilay olona, dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana, ary alefa eny amin’ny fitsarana izy. Mbola hitohy hatrany moa ity hetsika ataon’ny polisy ity, ka tsy tokony hisaraka amin’ny kara-panondro ihany ny tsirairay rehefa mivoaka ny trano.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT