Actualités

Antananarivo Renivohitra Naverina nodinihina ilay hetran-trano mampikolay vahoaka


  • Zoma 25 Febroary 2022

Miditra amin’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa amin’ity taona 2022 ny Filankevitra monisipalin’ny tanànan’Antananarivo nanomboka omaly.

Raha ny hita hatrizay, eo foana ny ben’ny tanàna amin’ny fanokafana fivoriana tahaka izao, tsy tao fa hoe : noho ny antony arak’asa ka misy asa lehibe mihoatra ny mahakasika ny mponin’Antananarivo, hoy ny Mpanolontsaina Monisipaly Clémence Raharinirina sy ny Mpanolontsaina Monisipaly Lilie Rafaralahy avy amin’ny TIM. Maro anefa ny fanontaniana manitikitika tokony hapetraka aminy, raha ny fanamarihana. Lahadinika miisa 5, ka tafiditra ao anatin’io ny resaka hetran-trano eto Antananarivo. Ny eny amin’ny Boriborintany faha-5 no isan’ny tena mimenomenona satria ny teny no efa nizarana ny taratasy fitakiana hetra. Rehefa nojerena dia manodidina ny 4000% aza ny an’ny sasany, ny an’ny sasany 100% izay vitsivitsy, fa ambonin’izay tena ambony noho izany, hoy io Mpanolontsaina Monisipaly io. Efa noresahina tamin’ny ben’ny tanàna tany aloha hoe: lafo loatra ny hetran-trano. Ny ben’ny tanàna sy ny mpanatanteraka no nanapaka samirery an’io resaka hetran-trano io, kanefa fitantanana ny kaominina izany tokony handalo foana amin’ny Filankevitry monisipaly satria vola miditra amin’ny kaominina. Nodinganina ny mpanolontsaina, fa izy ireo ihany no namariparitra azy. Efa minomenona ny vahoaka vao tonga saina mieritreritra hiverin-dàlana, ka haverina dinihin’ny mpanolontsaina izay efa nofaritana teo aloha. Tsy hobotriana ny vahoakan’Antananarivo, raha mandoa 1 hetsy fotsiny ka hatao 100% dia tsy zakany. Hiady amin’ny hetra zakan’ny vahoaka izahay, raisinay ho fandresena ny fiverenana amin’ny fandinihana izany, hoy i Lilie Rafaralahy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT