Actualités

Antananarivo Renivohitra Mbola betsaka ireo olona tsy manana kopia nahaterahana


  • Talata 17 Mey 2016

Mbola betsaka ireo olona tsy manana kopia nahaterahana eto Antananarivo Renivohitra. Efa an’arivony, araka ny fanazavan-dRamiaramanana Dominique anisan’ireo mpikambana ao amin’ny Rotary Club Antananarivo Doyen.

 

 Antony nikarakaran’izy ireo  hetsika nentina nanomezana  kopia mari-pahaterahana ho an’ireo tsy mbola manana manerana ny Boriborintany enina izany. Ny boriborintany fahefatra sy fahadimy no anisan’ny toerana maro olona tsy manana kopia mari-pahaterahana indrindra eto an-drenivohitra. Ankizy latsaky ny 21 taona ny ankamaroan’izy ireo. Ho an’ny Boriborintany fahefatra manokana dia nahatratra 600 ireo ankizy voakasika, izay notronin’ny ray aman-dreniny avokoa. Saika  tsy nahefa an’ilay fanambaram-piterahana an-janany teny anivon’ny kaominina tao anatin’ny 12 andro voalohany nahaterahan’ilay zaza avokoa izy ireo ankoatra ireo miteraka an-trano na koa malaina hanatona biraom-panjakana noho ny antony maro samihafa. Niarahana avy hatrany tamin’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny hetsika. Niampy ny dokotera izay nanamarina ny mombamomba ilay zaza. Afaka iray volana dia hivoaka ny kopia ary hitovy amin’ny olom-pirenena rehetra izy ireo. Tsy misy ny sazy mihatra amin’ireo olona tsy manana kopia mari-pahaterahana fa ny fiainana andavanandro ihany no manasazy ilay olona, hoy i Antonio,  lehiben’ny sampandraharaha misahana ny sora-piankohonana eo anivon’ny fitsarana. Anisan’izany ny tsy fahafahan’ny ankizy madinika mianatra, ny tsy fahafahan’ny olon-dehibe miasa noho ny tsy fananany kara-panondro.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT