Actualités

Antananarivo Renivohitra Lasa Parking fitadiavam-bola ny tokontanin’ny EPP


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Saika hatao parking na toerana fijanonan’ny fiarakodia sy ny moto amin’ny alina ny ankamaroan’ireo sekoly ambaratonga fototra eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.

 Efa taona maromaro no nisian’io tranga io izay mampanontany tena ny rehetra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpiandry tanana iray miasa amina EPP iray eto an-drenivohitra dia entin’ny talen-tsekoly hamenoana ny vola tokony omen’ny fanjakana azy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny vola azo avy amin’ireny mba hampiodinan-draharaha. Kely loatra mantsy izany fanampiana izany hoy izy. Na ny karaman’ireo mpampianatra FRAM mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana miasa eo anivon’ireny EPP ireny aza hoy izy mbola latsak’emboka alohan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra isam-bolana izay manodidina ny 3.000 Ar miankina amin’ilay sekoly sy ny isan’ireo mpampianatra FRAM ao aminy. Mikasika ireo fiara sy moto mijanona eny an-tokontanin’ireny EPP ireny dia fantatra fa tsy maintsy miala marainabe isan’andro izy ireny amin’ny 06 ora any ho any ohatra ary amin’ny 06 ora hariva ihany koa vao afaka miditra. 30.000 Ar isam-bolana no alohan’ny fiara iray raha 15.000 Ar kosa ny an’ny moto. Raha fehezina araka izany dia vokatry ny tsy fahampian’ny fanampiana omen’ny fanjakana ny EPP no antony manosika ireo talen-tsekoly hampanofa ny tokontany ao aminy mba hatao parking ho an’ireo manana izany.

Pati

Legende : Tahaka izao ny zava-misy eny anivon’ireo tokontanin’ny EPP eto an-drenivohitra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT