Lehilahy miisa telo indray, izay 25 sy 39 ary 45 taona no sarona teto an-drenivohitra ny 26 jolay lasa teo rehefa nivarotra sy nifoka rongony.
Fantatry ny Polisim-pirenena mpiandraikitra ity sampana ity ny fisian'olona mpivarotra sy mpifoka zava-mahadomelina amin'ny faritra maro eto Antananarivo ; ary raha ny fanisana sy fanadihadiana natao dia tsy latsaky ny olona 3 isan’andro, fara fahakeliny no voasambotra noho ny resaka rongony. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo, nidina ifotony nijery ny zava-misy ka lehilahy roa no tra-tehaka tetsy Ambohimanarina tokony ho tamin'ny 10 ora sy 30mn maraina ny 26 jolay teo. Ny iray mpifoka, ny iray hafa kosa mpamatsy iny faritra iny ka mivarotra 500ar amin'ireo mpanjifa ny iray fonosana. Vidiany 15 000 ar ny sachet iray ka eny an-toerana ihany no ividianany izany amin'ny olona mandalo. Mbola nahitana rongony fonosana maromarokoa teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Ilay lehilahy iray fahatelo hafa kosa voasambotra teny Ivato Aéroport tokony ho tamin'ny 1ora sy 30mn. Ity farany indray dia tra-tehaka noho ny fivarotana rongony hatrany. Araka ny fantatra dia napetraky ny namany avy any amin'ny faritra ilay rongony mba hamidiny. 20 000ar no ividianany ny 67 fonosana tra -tehaka tao aminy ka vao ny 10 000ar no lasa vola. Amidiny 500ar hatrany ny fonosana. Mbola vao hanomboka hivarotra kosa ny tenany izao nifanehatra tamin Polisy izao. Sady mivarotra izy no mifoka. Natolotra ny fampanoavana tamin’ ny 27 jolay lasa teo ny raharaha ary notanana am-ponja vonjy maika izy telo lahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.