Nosantarina teny Antaninandro, Ambondrona ary Faravohitra ny asa fametrahana takelaby (Panneaux de signalisation) sy “Plots” ataon’ny fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo.
Nosantarina teny Antaninandro, Ambondrona ary Faravohitra ny asa fametrahana takelaby (Panneaux de signalisation) sy “Plots” ataon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo. “Ny hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy hanokafana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra no tanjona amin’izao hetsika izao”, hoy ny tompon’andraikitra. Miara-dalana amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna koa izany, ary nitohy tamin’ny fanesorana ireo fiara rehetra miantsona amin’ny tsy tokony iantsonana manamorona ny arabe, ka manelingelina ny fifamoivoizana. Nanamafy ny avy eo anivon’ny Kaominina fa hitohy manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra ny fametrahana “Plots”, izay manakana ny fahafahan’ny fiarakodia miantsona amoron’ny arabe, toy izany koa ireo takelaby mampahafantatra ny fepetra tokony hohajain’ny mpamily rehetra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.