Actualités

Antananarivo renivohitra Harahi-maso amin’ny « caméra de surveillance » ny fako


  • Alakamisy 10 Jona 2021

“Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanatsarana ny fifamoivoizana sy ny filaminam-bahoaka.

 

 


Dingana iray lehibe amin’izany no tanteraka androany, dia ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Orinasa VIGIE”, hoy ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina omaly 9 jona 2021. Afaka hisitraka ireo teknolojia avo lenta ny CUA amin’ny fisian’ny « caméra de surveillance », izay ahafahana manara-maso toerana maro toy ny lalan-dehibe sy ireo dabam-pako noho io fiaraha-miasa io, raha ny fanambarany. Mino isika fa hitondra vokatra ho an’ny mponina izao ezaka izao ary hanampy betsaka ireo tompon’andraikitra samihafa. Ny fiaraha-mientana no antoky ny fampandrosoana haingana sy maharitra ho an’ny Taànantsika, hoy ity ben’ny tanàna ity. Hafa indray ity tetikasa vaovao hoentin’ny CUA ity ka andrasana ny mety fahombiazana na koa ny lesoka. Efa maro mantsy izay zavatra nambara fa hatao sy hotanterahina eto amin’ny CUA izay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT