Actualités

Antananarivo Renivohitra – Ampitatafika Hanangana Tsenambokatra iombonana hitsinjovana ny tantsaha


  • Zoma 22 Jolay 2016

Hiara-kiasa ny Kaominina Ampitatafika eny Antananarivo Atsimondrano sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hanangana Tsenambokatra iombonana na « Centrale d’Achat »

hanampiana ny tantsaha hahafahany mivarotra mivantana ny vokatra, mba hialana amin’ny fahalaviran’ny tsena sy ny fandehanan’izy ireo amin’ny alina hivaro-bokatra, ary koa hikajiana ny fahadiovan’ny vokatra hamidy.

Manan-danja amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Kaominina Ampitatafika noho izy anisan’ny mamatsy legioma sy voankazo ny mponina eto an-drenivohitra. Tsy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo akory no mampamokatra ny tantsaha fa ho fanampiana sy fanohanana azy ireo ity vinan’asa iray ity. Koa miantso ny minisiteran’ny Fambolena, ny ny Rano ary ny APIPA Rtoa Lalao Ravalomanana, hiara-kiasa amin-kitsim-po hanampiana ny tantsaha ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Ampitatafika. Endriky ny fiaraha-miasa rahateo eo amin’ny samy Kaominina ity asa ity. Ahodina ho sakafo mahavelona ho an’ny rehetra ny sisa tsy lafo ao amin’izany « Centrale d’Achat » izany. Efa misy ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany vonona hamatsy ara-bola ny tetikasa.

Ny alarobia teo dia nijery ifotony, niresaka tamin’ny tantsaha avy amin’ireo fokontany enina ao anatin’ny Kaominina Ampitatafika ny delegasiona notarihan’ny Ben’ny Tanànanan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, niaraka tamin’ny ekipan’ny Kaominina Ampitatafika notarihan’ny Ben’ny tanàna Rado Raparaoelina. Notsidihana tamin’izany ny fokontanin’Ambohimangidy, Ambohibary, Malaza, Faliarivo, Ankadintany, Soavimbahoaka ary Ambodiafontsy.

Faritra mpamokatra vary, laisoa, ovy, karaoty ankoatra ny anana sy fiompiana ny Kaominin’Ampitatafika, saingy tena olana ny rano manondraka ny velaran-tany maherin’ny telo arivo hektara. Efa ho efa-taona izao no tsy afaka namoka-bary ny mponina noho ny olana eo amin’ny fifehezana ny rano. Nojerena akaiky niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe sy ny avy ao amin’ny ministeran’ny Rano ary ny ny Fambolena ny famahana ny olana.

Mpamboly ny 80 isan-jaton’ny mponina. Olana sedrain’izy ireo ny masomboly sy ny zezika ary ny fanafody. Manampy troraka ny haratsian’ny lalana, izay sakana amin’ny famoaham-bokatra. Mampakatra laisoa eo amin’ny 12 taonina isan’andro anefa ity Kaominin’Ampitatafika ity mandritra ny volana aprily, ka hatramin’ny volana aogositra.

“Ilaina ny fifanampiana sy ny fiaraha-miasa”, hoy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, nefa tena ilaina koa ny hisian’ny fikambanana sy dina mifehy ny rehetra. Nivoitra tamin’ity dingana savaranondo ity fa hojerena akaiky sy hovahana alohan’ny taom-pambolena vaovao ireo olana sy sakana tena maika, hiatrehana ny taom-pambolena vaovao.

Hitohy ny alarobia tolakandro ho avy izao ny fihaonana eo amin’ny Ben’ny tanàna roa tonta amin’ny tsantsaha ao amin’ny Kaominina Ampitatafika.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT