Noraisin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly, ireo mpiofana ho mpamonjy voina avy amin’ny Collège Montmorency avy any Kanada, tarihan’ny kapiteny Bernard Christian.
Nilaza ny lehiben’ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra, lietnà kolonely Michel Rabemanantsoa fa voaresaka tamin’izany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa isan-taona eo amin’ny roa tonta. Nisy ny fitaovana nomen’ireo vahiny. Efa manomana sahady ny fahatongavan’ny delegasiona manaraka koa izy ireo.
SOARANO
Nitohy teny Soarano sy ny manodidina, ao anatin’ny Boriborintany Voalohany, omaly ny asa fanadiovana, tafiditra amin’ny fanatsarana ny tanàna amin’izao ankatoky ny Fetim-pirenena izao. Niara-nanatontosa izany ireo mpanadio tanàna, ireo tompon’andraikitry ny fotodrafitrasa, ny Polisy Monisipaly, ary ny ekipan’ny Boriborintany Voalohany. Tafiditra amin’ny asa fanalana mpivarotra tsy ara-dalàna koa ny asa toy izao, izay mbola hotohizana manerana ny Boriborintany rehetra.
FITSARANA
Niverina nandray ny asany nanomboka omaly ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana. Miandry ny famahana tanteraka ny fitakiana nataony anefa izy ireo, araka ny fampanantenan’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny fitantanam-bola azy ireo. Rehefa tsy mivaly izany dia mandrahona ny hiverina hitokona izy ireo.
FETIM-PIRENENA
Nanomboka omaly alatsinainy 6 jona ny fananganana sainam-pirenena, tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-56 taona nahazoana indray ny fahaleovantena ary mifarana ny 3 jolay 2016.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.