Miroborobo be ny fanaovana dokam-barotra momba ireo “chambre d'hôtel” ao
amin’ny tambajotran-tserasera facebook eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Tsy dia hoe ny fotodrafitrasa no nitombo be, fa misy ireo trano tsotra sasany navadika ho “chambre”, ankoatra ireo hotely efa mahazatra. Mandalo krizy rahateo isika, ka maro ireo mpanofa trano miala sy mitady mora kokoa. Mety ho vola vetivety ho an’ireo tompon-trano miditra amin’io lafiny fampanofana “chambre” io, saingy ny doka no mila atao misimisy, ka mety izay no mahabetsaka azy. Ho an’ireo Hotely, misy ny manavao ny « tarif » mba ho amin’ny sarany azo atao hoe antonony izany hoe tsy ny mpizahantany vahiny no mpanjifa kendrena amin’io izay tsy misy rahateo, fa ny Malagasy. Mihena mazava ho azy ny mpanjifa noho ny fikatsoan’ny fizahantany, ka mihamafy ny dokam-barotra hisintonana mpanjifa ato anatiny. Misy ireo avy any amin’ny faritra tonga eto Antananarivo, misy mpifankatia na mpisakaiza, misy ny mpivady mba miala kely amin’ny mahazatra,... Tena misy izay “tarif” rehetra mety amin’ny tsirairay, ary miezaka mampanara-penitra azy ireny ny tompony.
MANOMBOKA AMIN’NY 10 000AR
Misy kotiana amin’ny ora ho an’izay tsy hatory, ka manomboka amin’ny 10 000Ar ny adin’ny roa. Ahitana karazany samihafa, izay misy ny manomboka amin’ny 25 000Ar ho an’olon-droa ny matory, ary 75 000Ar ho ana olona miisa 6 eo, izay ahitana fahitalavitra, tambajotra wifi,… Mety ho tafiakatra an’hetsiny maro kosa raha any amin’ireo hotely efa fanta-daza. Miezaka misintona mpanjifa sy manatsara ny tolotra homeny ireo hotely samihafa misehatra amin’izy ity satria mihazakazaka ihany koa ny fifaninanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.