Niverina mampikolay indray ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Tena mampiteny ny moana! Ambanilalana Itaosy izao nanomboka tamin'ny zoma hariva no tapaka ny jiro,
androany hariva tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany vao niverina indray, hoy ny mpanjifa iray omaly. Ny teny Ambohijanahary Antehiroka ny sabotsy tamin’ny 3ora tolakandro nanomboka no nisy fahatapahana, tamin’ny 10 alina vao niverina, hoy ny fampitam-baovao. Nisy ny tamin’ny 5 ora hariva no tapaka ny sabotsy teo, ary tany amin’ny 12 ora alina vao niverina. Samy manana ny orany, fa saika nahazo fahatapahana ny rehetra. Izay fanazavana ofisialy tsy tena hita, fa mitarazoka raha hisy. Inona no antony? Tena noho ny firotsahan’ny orana ny faran’ny herinandro teo ve? Efa ny tsy miankina no mifehy ny famokarana sy famatsiana amin’ny ankampobeny, fa fitantanana no ataon’ny Jirama. Misy hidiran’ny resa-tsolika izay efa nampifanditra ny Fanjakana sy ny mpandraharahan-tsolika? Mbola misy trosa mampifanolana ka mandeha ny tsindry sy ny don-tandroka izay ny vahoaka no mizaka ny vokany? Iray volana mahery lasa anefa izay, ny 17 febroary 2022 no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Andry Ramaroson, fa tokony ho afaka tanteraka afaka iray volana ny delestazy. Nambara tamin’izany fa, mamelona ny milina faharoa ao Andekaleka ny Jirama, ary hiditra amin’ny andrana. Amin’ny herinandro dia manana 24MW fanampiny, afaka iray volana tokony ho velona ny milina fahatelo, izay hamerina ny 90MW vokarin’Andekaleka, ary efa ao ihany koa ny milina fahaefatra. Tsy Andekaleka ihany anefa, fa i Farahantsana, amin’ity herinandro ity tokony hampiditra 5MW, hameno 28MW ny avy any Andekaleka, hoy izy tamin’io. Nolazaina tamin’izany fa hampihena ny delestazy io, ary afaka iray volana rehefa feno ny famokarana, dia heverina fa tsy hisy intsony ny delestazy. Raha mbola misy dia tsy delestazy intsony, fa “coupure”, toy ny resaka fahatapahana andrin-jiro izay mety mbola ilàna fitaovana, mety ho tapak’andro ny fanarenana, hoy Atoa Andry Ramaroson tamin’izany. Aiza ilay fampanantenana amin’izao? Delestazy foana no nampanantenaina, saingy delestazy nahazo tanjaka no vokatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.