Actualités

Antananarivo isaky ny fahavaratra Efa tena tsy voafehy intsony ny rano


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Hita ho tsy ahavaha olana intsony ny tatatra marivo tsy misy afa-tsy alalina 1 metatra maheru kely io, rehefa mandinika ny rano tondraka eto Antananarivo isaky ny misy rotsak’orana na dia kely aza.

Tongasoa eto amin’ny reniranon’Ambohijatovo, hoy ny vazivazin’ireo tratr’orana teny an-toerana omaly. Toy ireny fiara anaty renirano ireny koa no hita teny Avaradoha teny, efa tafiditra an-trano ny rano teny Ambohidahy Ankadindramamy, ny eny Besarety moa dia ny omaly tsy niova fa rano be hatrany tahaka ny eny Andravoahangy ihany. Ny eny Soanierana, indrindra, ny manodidina rehetra an’iny chocolaterie Robert sy ny Batpro iny moa dia efa ela no naman’ny very fanantenana raha izay resaka vahaolana momba ny rano tondraka izay no lazaina. Latsaka ambany ireny dobo filomanosana ireny. Tsy misy dikany tamin’ilay rano tondraka akory ireo vola nolaniana tamin’ny fanamboarana sy fanadiovana ireo tatatra manana alalina ankapobeny voalaza teo. Misy tatatra azo lazaina fa lalina tokoa namboarina tamin’ny sisin-dalan’i Soanierana 3 taona lasa izay, mba hamarina ny rano ao amin’ny lakan-dranon’Andriantany; saingy rehefa mivatravatra ny filatsaky ny rano be avy any Soanierana ambony , dia tondrana ihany ny ety ambany Efa tsy maintsy ilay lakan-drano ambanin'ny tany goavambe tahaka ny tonelina any am-pitan-dranomasina ireny angamba no ilaina hahatafarina ny toe-draharaha, hoy hatrany ireo soso-kevitra. Mbola hitohy anefa ny orana. Ho an’ny toetr’andro nanomboka omaly hatramin’ny 06 martsa izao, misy tangoron-drahona matevina ao amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny nosy izay arahi-maso akaiky ny mahakasika azy, hoy ny Météo Madagascar. Hitohy ny oram-baratra ho an’ny faritra Avaratra Andrefana sy ny atin-tany. Somary hibahan-toerana ny rahona na handrahona mitsitokotoko ho an’ny faritra hafa, hoy ny Météo Madagascar. Mila mitandrina ny rehetra amin’ny oram-be mety hiseho ao anatin’ny fotoana fohy, ka mety hiteraka fahavoazana, araka ny toromarika.
J. Mirija sy Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT