Actualités

Antananarivo Amidy 250 000 Ar ny valina « Test PCR » hosoka


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Vehivavy miisa roa ; 43 sy 42 taona no nosamborin’ny polisy ekonomika afak’omaly alatsinainy 12 desambra teny amin’ny toeram-piasany teny Androhibe.

Raha araka ny fantatra dia nanao taratasy hosoka izy ireo. Nanao « Certificat de négativité test PCR Covid19 » izy mirahavavy ireto izay marihina fa tsy azo hatao kilalao satria mihatra mivantana amin’ny fahasalaman’olombelona. Mpiasan’ny Institut d’hygiène Analakely tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana ireto farany izay nifindra niasa teny amin’ny LA2M Androhibe ny volana mey taona 2021. Nanomboka tamin'izany no nanaovany izao asa ratsiny izao. Efa ahiahiana fa misy olona mifamezivezy miditra ao amin'ny biraon'ireto roavavy ireto, ka nampiahiahy ny lehibeny ao amin'ny toeram-piasany. Fantatra araka izany fa misy taratasy hosoka mivoaka ao amin'izy reo ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny tompon'andraikitra ary niafara tao amin'ny polisy ekonomika izao. Ny vahiny no tena betsaka mandalo manatona azy roa ireto ary hamidiny amin’ny vidiny 250 000Ar ny « certificat » iray. Marihana fa manana fitomboka hosoka izy ireo hanaovany izany taratasy izany ary izy ireo ihany koa no manao ny sonia amin’ireo taratasy.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy mpanao taratasy hosoka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT