Actualités

Antalaha Lehilahy iray nandrahona hitifitr’olona


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Lehilahy iray, 43 taona ny faran’ny herinandro teo no tratra nitazona basy vita gasy sy nandrahona hitifitr’olona tany amin’ny distrikan’Antalaha.

Tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro raha tsiahivina dia nahazo antso ny Polisy tao amin’ny CSP Antalaha mahakasika ny fisiana lehilahy iray mandrangaranga basy vita gasy iray ary mandrahona ny hitifitra olona tao Ambelatra, fokontanin’Ambatomitraka, kaominina an-drenivohitr’Antalaha. Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy taorian’izany ka hita tao an-toerana tokoa ilay lehilahy sy ny basy vita gasy teny an-tanany. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP Antalaha. Tsy mbola nahatifir’olona moa izy raha tsiahivina ary tsy nisy olona naratra tamin’ity tranga iray ity ihany koa. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT