Antalaha

> Efa manomboka ny fanondranana boaderozy


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Efa manomboka sahady ankehitriny ny fanondranana boaderozy miainga any amin’ny seranantsambon’Antalaha, araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana.

Ny alarobia 16 oktobra alina dia efa nisy ny fitaomana bolabolana andramena nataona sambo kely madinidinika maro ho any anaty sambo lehibebe niisa 6 mihantsona tao atsinanan’Antalaha. Omaly alakamisy 17 oktobra tontolo andro dia tazana tao amin’ity seranantsambo ity mihitsy ny sambo lehibe iray nampidirana ny boaderozy ary nisy tompon’andraiki-panjakana nanara-maso izany teny an-toerana. Raha ny fahafantarana azy anefa, hoy ny loharanom-baovao, dia tsy mbola nanome baiko amin’ny fahazoana manondrana boaderozy any ivelany ny Praminisitra lehiben’ny governemanta fa mbola eritreritry ny filohan’ny tetezamita fotsiny hatreto ity resaka ity nefa dia izao efa misy manao izao sahady. Te hitroatra mafy hanohitra ny zava-misy ka hilaza amin’ny mpanondrana an-tsokosoko hoe «avelao ny boaderozinay» ny vahoaka any Antalaha, hoy ny mpampita ny vaovao, saingy tsy afa-manoatra satria misy mpitandro ny filaminana ihany koa manara-maso an’ity fampidirana an-tsambo ny entana ity.

 

Sammy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT