Actualités

Anosy Niparitaka ny loto, nanjaka ny filokana


  • Talata 12 Jona 2012

Toa mampatsiahy zavatra maro ny sarambabem-bahoaka sahady ny zava-nitranga teny amin’ny Anosy sy ny manodidina nanomboka ny sabotsy teo.

 Nanomboka tamin’io andro io mantsy no nanatanterahana ilay podium hoenti-mankalaza ny fetim-pirenena 26 jona izay nahavory olona marobe tokoa ka ny tanora no maro an’isa indrindra. Tranoheva manodidina ny 40 teo ho eo raha kely indrindra no hita teny an-toerana ka ankoatra ireo mpivarotra zava-pisotro maro samihafa sy hani-masaka dia anisan’ny tazana teny an-toerana ihany koa ireo tranoheva nampilalao olona tamin’ny alalan’ny loka toy ny toraka tavoahangy… Ny hariva tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany tany ho any vao tena nafana ny lanonana raha nafana toraka izany ihany koa ny fitohanan’ny fiarakodia. Efa mianoka ao anatin’ny fety sahady ny ankamaroan’ny olona araka ny zavatra hita teny an-toerana saingy ny indro kely dia ny fanaovana fety anatin’ny fandotoana ny tanàna sy ny fisotroana zava-pisotro. Saika nahitana olona mamo avokoa mantsy teny amin’ny manodidina ankoatra ireo niady nifampikasi-tanana vokatry ny filokana. Ny sabotsy izao indray no fantatra fa hitohizan’ny hetsika, izany hoe isan-kerinandro ka tokony ho samy malina ihany ny tsirairay, indrindra fa ny ray aman-dreny amin’ny fandefasana ny ankizivavy eny an-toerana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT