Tezitra ny Fokonolona eny Anosizato Atsinanana, indrindra ireo zatovo nanantena asa tanamaro fanadiovana tatatra mamakivaky ny tanŕna omaly fa tsy afaka nanao izany noho ny tsy fahazoana fanampiana intsony avy amin’ny Karana eny an-toerana.
Hanao fihetsiketsehana hanoherana ny fisakanana ny fanatanterahana asa fanasoavana ny vahoaka ataon’ny fikambanana iray eto Anosizato izahay, hoy ireo filoham-pokontanin’Anosizato Atsinanana I sy II. Nambaran’ilay teratany Indo-Pakistaney mantsy, hoy izy ireo, fa misy mitory any amin’ny polisy izy ireo ka tsy afaka ny hamatsy vola ny fanadiovana ny lakandranon’ny tanàna intsony. Tsy hainay, hoy izy ireo, hoe : fahefana avy aiza no afahan’ity fikambanana ity miditra lalina amin’ny raharahan’ny Fokonolona sy ny asa sosialy atao aminy ? Fa fanatsarana ny tanàna sy ny toeram-ponenan’ireo mponina voatery nikisaka kely noho ny fanotofana tany no ataon’ity Karana ity, hoy ny feo heno teny Anosizato omaly, ary noho izany asa izany indrindra no tsy nahadibo-drano an’Anosizato Atsinanana intsony tao ho ao. Ao anatin’ny fanotofana izao no nahazoan’ny tanora kianja filalaovam-baolina samihafa, hoy ny filoham-pokontanin’Anosizato II.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.