Actualités

Anosizato Atsinanana 10 minitra no nomen’ny vadintany hialan’ireo mpivarotra


  • Zoma 13 Mey 2011

Nisahotaka harivariva ny teny Anosizato Atsinanana omaly noho ny resaka fandroahana mpanofa trano nataona vadintany niaraka tamin’ny polisy efa-dahy.

 Folo minitra no nomen’ity olon’ny lalàna ity ireo mpivarotra nanofa ilay trano izay nahitana vehivavy mananontena mpivarotra enta-madinika, zokiolona mpivarotra kafe sy mofo ary mpiavy mpivarotra saribao, mba amoahana ny entan’izy ireo ho fampiharana ny didim-pitsarana fa harodana, hono, ny trano. Tsy dia nampiseho taratasy mazava ireto mpanatanteraka didy, izay nanamarika fa mena ambanin’ny mena ry zareo. Nisy ny tezitra raha nahita ny toe-java-nisy ka saika hitroatra avy hatrany nefa notohanan’ny tompon’andraikitry ny Fokontany teny an-toerana. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny Fitsarana ary nanamarika fa ady madio ny fitoriana mahakasika ny tany misy ny trano hivarotan’ireo voalaza teo ireo ka tokony mbola hanana iray volana izy ireo hampakarana ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony. Nanamarika ny tao amin’ny Fokontanin’Anosizato Atsinanana fa azo nosorohina ny savorovoro raha mba nampahafantarina azy ireo mialoha ny toe-draharaha.

Rehefa hanatitra taratasy fiantsoana rahateo ny tompon’andraiki-panjakana dia mailaka manatona ny Fokontany fa rehefa resaka manokana dia manapa-tena amin’izao. Marihina fa tonga teny an-toerana koa ny solontenan’ny ministeran’ny mponina izay nilaza fa handray andraikitra avy hatrany mikasika ity raharaha ity. Eo am-piandrasana izany aloha dia tsy manan-kialofana ireto mpivarotra telo tonta ireto fa ireo mpivarotra kafe sy mofo dia ety ivelan’ny trano no matory, ilay mpivarotra saribao dia ao afovoan’ny entany ao ary ilay mananontena mpivarotra enta-madinika kosa no nomen’ny Fokontany efitra iray nandriany omaly alina. Ity farany aza moa fantatra fa dia torana mihitsy noho izao zava-nanjo azy izao.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT