Rehefa nivorivory nandritra ny adiny iray teo ho eo nanoloana ny Lapa Maitso Anosikely omaly maraina ireo solontenam-bahoaka manana olana ara-tany, notarihan’ny tambajotra HAFARI Malagasy dia nampidirina tao an-dapa rehefa nifampiresaka nivantana tamin’ny filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany ao amin’ity andrim-panjakana tetezamita ity, ny CST Naivo Raholdina. Asa na noho ny fahitana ireo olona marobe efa maimbomaimbo ra no nahatonga ity farany nilokaloka teo imason’ny rehetra fa mijanona 100% ho an’ny Malagasy ny tany eto Madagasikara ary hanao izay tratry ny heriny hanampy an’ireo manana olana ara-tany ireo izy ary namaly avy hatrany koa ny fangatahan’ny Hafari Malagasy ny amin’ny tokony hanaovana loabary an-dasy an’ity resaka ady tany ity. Saika tongan’ny HAFARI tao Anosikely ary nijoro ho vavolombelon’ny mahazo azy avokoa ireo manana olana ara-tany eto Antananarivo sy ny manodidina. Nahitsy ny tenin’izy ireo nilaza fa Karana sy Sinoa ary orinasa frantsay no ao ambadiky ny ady tany atrehan-dry zareo ary tena tambajotra matanjaka. Nahitsy koa ny tenin-dRafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny HAFARI Malagasy nilaza fa anjakan’ny kolikoly ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany ary ny fitsarana hatrany amin’ny filoham-pokontany sasany. Leon’ity Sinoa sy Karana manjakazaka eto Madagasikara ity izahay Hafari Malagasy, hoy izy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.