Annick Rajaona

> Voatendry ho Ambasadaoro any Genčve


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Mpiasam-panjakana ambony maromaro no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly. Nisintona ny sain’ny mpanao gazety ny nanendrena an-dRamatoa Annick Rajaona na Andriamampianina Hantanirina Annick amin’ny anarany feno ho solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana sy ambasadaoro Malagasy any Genčve-Soisa.

Izy izany no hisolo ny toeran’ny jeneraly Camille Vital. Anisan’ireo olona tena akaiky ny filohan’ny tetezamita Rtoa Annick Rajaona, izay talen’ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny prezidansa. Hita teo anilany foana isaky ny manatrika fivoriana any ivelany izy na mitsidika faritra eto an-toerana. Raha ny eritreritry ny maro dia tsy hiala ao an-dapa mihitsy, tahaka an-dry Norbert Lala Ratsirahonana Rtoa Annick Rajaona, saingy izao izy nalefa any Soisa izao. Amin’ny ankapobeny dia endrika fampidirana garazy, araka ny fomba fiteny, ny fanendrena olona iray atao masoivoho any ivelany. Na dia nianatra ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fifandraisana iraisam-pirenena tao amin’ny ENA (Frantsa) aza ity andriambavilanitra ity dia somary nanaitra ihany ny fanendrena azy ho masoivoho any lavitra any satria olona tena atokisan’ny filohan’ny tetezamita izy no sady anisan’ireo mpanolotsaina tena inoany teny, ary azo antoka fa tsy hivadika aminy izany mihitsy, raha tsy hoe efa manomana ny fialana tsy misy arakaraka eo amin’ny fitondrana angaha.

Fa  fantatra tamin’ny alalan’ny fampitam-baovaon’ny filankevitry ny minisitra ihany koa fa hamidy ireo tahirina andramena nogiazan’ny fitondrana tetezamita. Nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny Banky Iraisam-pirenena ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ary rehefa natao ny fifampiraharahana dia nifanaiky ny roa tonta fa hamidy ireto tahirina andramena ireo ary hiaraka hiasa akaiky amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fanatanterahana izany faran’izay haingana ny Banky Iraisam-pirenena. Raha ny resaky ny filohan’ny tetezamita dia hahazo ampahany amin’io vola io ny mpitandro ny filaminana mba hahafahan’izy ireo manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany, indrindra fa amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana izao, ry zareo rahateo efa nitaky 7 miliara Ariary.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT