Actualités

Ankorondrano Tratran’ny polisy ireo mpisoloky volamena


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Roalahy tena havanana amin’ny asa fisolokiana sy fivarotana volamena no fantatra fa saron’ny polisy teny Ankorondrano omaly.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia Ramatoa iray no nanatonan'izy ireo ary milaza ho tsy mahay miteny vazaha izy roalahy kanefa misy vazaha hividy ny volamena ao miny. Niangavy ity vehivavy ity izy ireo noho izany mba hanao mpandika teny mandritra ny fifampivarotana. Nilaza moa ireo 02 lahy fa omena 50.000 Ar isaky ny 01 grama ity vehivavy ity. Nifampiresaka tamin'ny finday ilay vehivavy sy ilay milaza ho vazaha ka nandresy lahatra itsy voalohany ity farany mba hanome "avance" ho an'izy mirahalahy hitazonana ny entana. Rehefa tratry ny fandraikiraikena teo ilay Ramatoa dia nanaiky ary nanome vola. Rehefa lasa ilay roalahy dia nojeren’ilay Ramatoa tao anaty fiara ilay nolazainy fa volamena kinanjo fasika no tao anatiny . Nitory teny anivon'ny Sampana heloka be vava ilay ramatoa ary efa voasambotry ny Polisy ireo mpisoloky. Miangavy ireo olon-tsotra efa tratran'ny fitaka nataon'izy roalahy ireo moa ny eny anivon'ny Polisy Sampana heloka be vava Anosy mba hanatona azy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy niaraka tamin’ilay fasika nolazainy fa volamena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT