Actualités

Ankorondrano Atsinanana Misy vazaha mitady haka ny lalam-pokonolona


  • Zoma 27 Mey 2016

Misy teratany vahiny mitady haka ny lalam-pokonolona etsy amin’ny Fokontany Ankorondrano Atsinanana, ambadiky ny fahitalavitra Ma TV.

 

 Misy taratasy mipetraka mantsy eny an-toerana nanomboka  omaly fa  tsy azo ampiasaina intsony io lalam-pokonolona io aorian’ny 30 mey ho avy izao ka tsy maintsy mitady lalan-kafa handehanany ireo olona nampiasa izany  hatramin’izay. Raha ny fanazavan’ny mponina anefa dia efa 50 taona katroka no nampiasain’izy ireo io lalana io, ahafahany mifandray mivantana amin’ny faritr’i Manjakaray sy ny manodidina. Ankoatra izay, efa tamin’izany fotoana io lalana io no voasoritra sy natokana ho lalam-pokonolona. Ankehitriny anefa, mivadika ho zavatra hafa mihitsy ny tantara. Saika sorena tamin’ity trangan-javatra ity avokoa moa ireo mponina eny an-toerana omaly ary milaza ny tsy hanaiky izao fakana ny lalan’izy ireo izao fa tsy maintsy hiroso  amin’ny fifampiresahana amin’ny tompon’andraikitra. Tsiahivina moa fa olona an-jatony isan’andro no mampiasa io lalana io, anisan’ireny ny mpiasa sy ny mpianatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT