Ankolafy Zafy Albert

> Ho mpanohitra mandrakizay ?


  • Alarobia 14 Aogositra 2013

Araka ny filazan’ny Pr Miandrisoa Marcel dia tsy maharesy lahatra ny ankolafy Zafy Albert mihitsy ny hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Heverinay ihany koa, hoy izy, fa tsy hamaha ny olana ny fanovana ny mpikambana tao amin’ny CES ary mety vao maika aza hitombo ny fifandirana. Ho an’ny ankolafy Zafy Albert dia ny fanatanterahana fifidianana lalampanorenana no laharampahamehana.

Tsy maintsy apetraka ny fototra iaingana, hoy i Miandrisoa Marcel, ka raha hitantana firenena dia ny lalampanorenana no fototry ny lalàna rehetra. Izany no antony tsy nanoloran’ity ankolafy ity solontena tao amin’ny CES, raha araka ny fanazavany ihany. Ny profesora Zafy Albert sy ireo mpiara-dia aminy dia mihevitra fa omena volavola lalampanorenana roa na telo mba hisafidianany ny Malagasy, misy moa ao anatin’ity ankolafy ity no mivoy mafy dia mafy ny tokony hametrahana ny rafitra federaly eto amintsika tahaka an-dry Henri Lecacheur, Tabera Randriamanantsoa, ary amin’ny ankapobeny dia mirona any amin’io rafim-panjakana io ny olon’ny ankolafy Zafy Albert. Somary mahagaga ihany anefa ny fomba fanaovan’ity ankolafy ity politika satria nanasonia ny tondrozotra izy ary manana olona ao anaty governemanta na dia manizingizina mafy aza ny Pr Zafy Albert fa tsy nahazo tso-drano avy aminy ireo niditra anaty fitondrana tetezamita ireo.

Izao ambara indray fa tsy mankasitraka ny hanaovana fifidianana filoham-pirenena ny ankolafy Zafy, kanefa Atoa Tabera Randriamanantsoa, anisan’ny lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ity ankolafy ity dia kandida amin’io fidianana io. Ny somary nanaitra ihany koa dia tahaka ny nampanginin’ny ankolafy Zafy Albert tanteraka ilay resaka fampihavanam-pirenena novoiziny efa ho 10 taona izao fa dia hoe : aleo indray miroso amin’ny fifidianana lalampanorenana. Manjavozavo ny tena foto-kevitra ijoroan’ity ankolafy ity, satria miparitaka manao mersenera etsy sy eroa ny mpanao politika avy ao aminy. Hita teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey nanohana an’i Andry Rajoelina ny profesora Zafy Albert mivady tamin’ny 2009, herintaona taty aoriana dia hita teny amin’ny Magro indray niaraka tamin’ny ankolafy Ravalomanana. Rehefa tena dinihana dia tsy tena hoe manana vinam-piarahamonina sy fandaharan’asa hitantanana sy hampandrosoana ny firenena ny ankolafy Zafy Albert fa dia variana amin’ny fanoherana mpitondra sy fanaovana ampamoaka tsy lasa lavitra akory.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT