Actualités

Ankolafy Ravalomanana Namboly hazo tany Imerinkiasinina


  • Alarobia 09 Martsa 2011


Zana-kazo 500 fototra omaly no novolen’ny vehivavy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana teny Ambohiboahangy Imerinkiasinina ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy eran-tany dia ny 8 martsa. Nanentana sy nampirisika ny vehivavy hanohy ny asa sy adidy efa noraisiny eo amin’ny fianakaviana, eo amin’ny fiarahamonina ary eo amin’ny firenena ny Sekretera jeneralin’ny Tiako I Madagasikara, Mamy Rakotoarivelo, tamin’ny fanentanana fohy nataony. «Teo amin’ny toerany ny Filoha Marc Ravalomanana», hoy izy, «dia nanao ezaka goavana hisian’ny miralenta eo amin’ny lahy sy ny vavy». Niditra an-tariby nivantana niarahaba ny Reny Malagasy rehetra tratry ny 8 martsa 2011 Rtoa Lalao Ravalomanana toy izany koa Atoa Marc Ravalomanana izay niarahaba ny reny rehetra.

Manohy
SARY : Teny Ambohiboahangy Imerinkiasinina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT