Actualités

Ankolafy Ravalomanana Hikarakara tolo-tanana hanampiana ny any atsimo


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Mba ho fanampiana ireo Malagasy traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Haruna tany atsimon’ny Nosy dia hikarakara tolo-tanana entina hanampiana azy ireo ny ankolafy Ravalomanana

 Rahampitso alakamisy 07 martsa tontolo andro no hanatanterahana izany etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. “Ndao hamonjy ty longo”, no lohahevitra nampitondraina ny hetsika izay hiantsoana ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka, ireo malala-tanana, ireo mpanao politika na Zanak’i Dada na tsia.

Andrasana amin’io rahampitso io ireo karazana fanampiana izay foin’ny olona toy ny vola. Anisan’ny tena andrasana kosa ireo karazan-tsakafo tsy mety simba, ny fanafody ary ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro. Antso avo, araka izany, no hatao amin’ny rehetra mba hanome izay foiny ho an’ireo havantsika sahirana any atsimo. Araka ny fantatra moa dia anisan’ny hanatrika ity hetsika tolo-tanana hatao rahampitso etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha ity ny BNGRC.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT