Ankolafy Ravalomanana

> Vita ny ambony latabatra, eny an-kianja indray …


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Na ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana (HCC) na ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES) dia samy namoaka fehin-kevitra omaly fa tsy azo raisina, izany hoe tsy nekena ny fangatahana nataon’ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny alalan’ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo.

Ilay fipetrahana enim-bolana eto Madagasikara no fototry ny fanilihana ny kandida Lalao Ravalomanana, ka nifandraika tamin’izay ny taratasin’ady napetraky ny filohan’ny Kongresy teny amin’ny HCC izay mangataka ny hilazan’ny HCC fa mandika ny lalàmpanorenana ny andininy faha-5 andalana voalohany ao amin’ny lalàna fehizoro laharana 2012-015 ny 1 aogositra 2012 momba ny fifidianana filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-4. Io andinin-dalàna io dia milaza fa tsy maintsy ny vatatenan’ilay kandida mihitsy no mipetraka eto Madagasikara enim-bolana fa tsy hoe : rehefa manana trano fonenana eto izy dia mety. Toy izany koa ny tao amin’ny CES, mangataka ny hanafoanan’ity farany ny fanapahan-kevitra navoakany tamin’ny 17 aogositra manilika kandida valo be izao, ka anisany ny kandida Lalao Ravalomanana. Namaly ny CES omaly fa didy tsy azo ivalozana iny (?), ka tsy iverenana intsony.

 

Efa nampoizina ihany fa tsy hahazo rariny amin’izay fitarainana na fitoriana na fangatahana ataony ka mitaky ny hamerenana indray an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ho kandida, ny ankolafy Ravalomanana. Tsy nanolotra olona hisolo an’i Neny tao anatin’ilay fe-potoana noferan’ny lalàna ity ankolafy ity, ka hatreto izany aloha dia tsy manana kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny ankolafy Ravalomanana. Ny HCC no rafi-pitsarana ambony indrindra eto Madagasikara, ka tsy misy intsony ny dingana hafa azo idirana, fa rehefa nanambara ny HCC hoe tsy mety, dia tsy mety izay ary tsy misy hevitra intsony. Taorian’ny nivoahan’ny lisitr’ireo kandida 41 neken’ny CES telo aloha dia nandeha be ny feo fa tsy maintsy hailika na ho resena ambony latabatra Rtoa Lalao Ravalomanana, tsapa ankehitriny fa toa tena nampiharina izany tetika izany, ka sady voahilika izy no tsy manana olona hisolo azy hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena intsony. Raha tsy hoe : tena mahavita fahagagana ny ankolafy Ravalomanana, dia resaka hafa indray izay, fa raha ny zava-misy sy ny siosion-dresaka re etsy sy eroa aloha dia tena misy ny vondron’olona eto an-toerana sy any ivelany efa tena niketrika ny amin’ny hanapotehana tanteraka ny ankolafy Ravalomanana, ary tsy hanaiky mihitsy izany i Dada mody eto izany na koa i Neny kandida. Ka anjaran’ny ankolafy Ravalomanana, izay azo antoka fa tsy vahiny amin’io resaka io no mahita ny vahaolana sy mihetsika raha toa ka tena mbola te handray anjara amin’ny raharaha politika sy ny fiainam-pirenena ihany izy. Mbola eo rahateo ny fampihaonana heverin’ny FFKM hatao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT