Ankolafy Ravalomanana

> Tsy hanaiky hatramin’ny farany


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Niparitaka haingana dia haingana tany amin’ny tranokala ny vaovao momba ny lisitry ny kandida navoakan’ny CES ny sabotsy 17 aogositra teo. Ireo olona azo sokajiana hoe : tsy mankasitraka an’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana no hita ho tena nafana fo tamin’ny adihevitra, tahaka ny tao amin’ny facebook, ohatra.

Isan-karazany ny fanehoan-kevitra, fa ny tsikaritra ho niverimberina matetika dia ny hoe : tokony hiala ao anatin’ny fitondrana tetezamita amin’izay ny ankolafy Ravalomanana, izany hoe : miala daholo izay olona voatendry avy amin’ny anaran’ity ankolafy ity ao amin’ny governemanta, CST, CT, CENI-T, CES. Raha ny tsikaritra tany anaty adihevitra tamin’ny facebook omaly dia tena vonona ny hiala tsy ho mpikambana CST intsony Rtoa Naika Eliane avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. «Tsy hitako intsony izay mbola hatao ao anatin’ny tetezamita» hoy izy. «Hitarika ireo namako hanao fametram-pialana faobe aho”, hoy izy ary “raha toa ka tsy tanteraka izany dia izao irery no hiala”.

Izay ny teniny, ho hita eo ny tohiny. Fa ho an’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo kosa, mbola tao amin’ny facebook ihany dia nambarany fa “tsy hoe : rehefa nandray fanapahan-kevitra tsy mety ny CES dia tokony hiala ao amin’ny CENI-T ny ankolafy Ravalomanana… be loatra ny resaka eto amin’ny facebook hoy izy, maro be ireo miseho mahay sy mahalala kanefa toa tsy hita ireny olona ireny rehefa hoe : ho eny amin’ny Magro”. Nametra-panontaniana i Mamy Rakotoarivelo hoe : “raha hitarika fidinana an-dalambe ho eny amin’ny CES aho ho fanoherana ny didy navoakany, olona firy ary no sahy hanaraka ahy ?”. Nivory teny Faravohitra ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity ankolafy ity omaly hariva ary hitohy amin’ity maraina ity. Tsy niatrika ny fivoriana fa mbola tany Toamasina niatrika ny jobilin’ny FJKM ny kandida Lalao Ravalomanana. Araka ny fampitam-baovao azo anefa dia tsy mankasitraka iny fanapahan-kevitry ny CES iny ny ankolafy Ravalomanana.

Fanapahan-kevitra ambarany fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery. Raha nokianina ho nampifangaro ny lalàna sy ny politika ny CES teo aloha tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, hoy i Mamy Rakotoarivelo tao amin’ny fahilavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly hariva dia tena fanapahan-kevitra politika madiodio no kosa noraisin’ny CES vaovao, ka tsy hanaiky izany ny ankolafy Ravalomanana ary tsy misy resaka fanoloana kandida izany.

 

Tsy nahim-pony

Manamafy izay ihany koa ny fanazavan-dRakotomanana Honoré, mpahay lalàna, mandiso ny fanapahan-kevitry CES tamin’ny kandida Lalao Ravalomanana mikasika ilay fe-potoana enim-bolana satria tsy niankina taminy na nahim-pony izany fa noho ny fepetra nataon’ny fanjakana. Toy izany koa ireo kandida sasany izay nahilika faobe noho ny voalaza fa hadisoan’ny antontan-taratasy sasany tamin’ny filatsahan-kofidian’izy ireo. Amin-dRakotomanana Honoré dia ny sampandraharaham-panjakana nanome ireny antontan-taratasy ireny mihitsy izany no diso fa tsy ireo kandida, ka tsy helony izany. Tokony nomena fahafahana ireo kandida ireo hiarovany tena sy hanaporofoany fa ara-dalàna ny dosien’izy ireo. Mbola hafana araka izany ny adihevitra sy ny fanehoan-kevitra.

Milaza ny hampiantso mpanao gazety ny ankolafy Ravalomanana amin’ity anio ity, ka ho hita eo izay fanambarana ofisialy ny amin’ny dingana manaraka hirosoany, fa raha ny siosion-dresaka hatry ny sabotsy hariva aloha dia nilaza fa hentitra ny toromarika avy any amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia ny miala amin’ny rafitra tetezamita rehetra. Tena miankina betsaka amin’ny fanapahan-kevitra ho raisiny anefa ny fivoaran’ny raharaham-pirenena sy hoavy politikan’ny ankolafy Ravalomanana, ary miandry fatratra izany ny olona.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT