Ankolafy Ravalomanana

> Miova endrika indray ny tolona


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013

Mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, manoloana ny fanilihana an’i Neny Lalao Ravalomanana tsy ho ao anatin’ny lisitr’ireo kandidà hifaninana ho filoham-pirenena voalohany amin’ny Repoblika faha-4, dia naneho ny heviny ny MCT Ravelonanosy Mamy Tiana filohan’ny vondrona parlemantera ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

“Ny  resy aloha dia tsy resy satria nezahana tokoa noresena tamin’ny fanilihana an’ity kandidà ity. Faharoa : tsy resy fa mbola ao anatin’ny tolona tsara izao ny ankolafy Ravalomanana ary miezaka miaro izany”. Aza adinoina, hoy ity MCT ity, fa nezahina noresena tamin’io koa ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2001 nefa rehefa niray hina ny vahoaka sy ny mpitarika dia tonga tamin’ny fandresena soa aman-tsara. Koa miantso fotsiny ny rehetra aho hoe : tena ilaina ny firaisankina sy firaisan-tsaina ahafahana manohy ny tolona. Manaraka izany, ahoana ny fandrosoana amin’ny tolona ? Tsy maintsy ny firotsahana an-dalambe no hiafaran’io fa tsy misy lalana azo ihoarana ankoatra izay. Fa efa nanao izay hisarahana ny CES ka ny dikan’izay dia miainga amin’ny hetsika vaovao indray no hitondrana ny tolona.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT