Miankina amin’ny vokatry ny fivoriana tanterahana any Afrika Atsimo ny hoavin’ny ankolafy Ravalomanana. Tenierana ihany ny antsika, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary atao ao anatin’ny fifampatokisana avokoa ny zava-drehetra.
Tsy ao anatin’ny adihevitra intsony ny hoe : hisisika hanolotra kandida ho solon’i Neny na hanery ny CES hiverina amin’ny fanapahan-keviny ka hanaiky indray ny maha kandida an’i Neny. Atoa Rakotoarivelo Mamy, Botozaza Pierrot, Ravatomanga Rolland, Ramalason Olga, Randriamandranto Ihanta, Razafimanantsoa Hanitra, Rakotonirina Manandafy ary Rakotoarivony Jean Pierre avy amin’ny antoko Zanak’i Dada, ny Teza ary ny MFM no niondrana atsy Afrika Atsimo hidinika amin’Atoa Marc Ravalomanana. “Fifampiresahana amin’ny raiamandreny Ravalomanana mahakasika ny toe-draharaha politika ary koa handray ny toromaika amin’izay ho tohin’ny tolona sy ny famerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ary ny famerenana ny tany tan-dalàna no anton-dia any”, hoy ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Rakotoarivelo Mamy. Nampiany fa tsara ny mampitovy tadin-dokanga sy mifampiresaka mivantana aminy satria betsaka ny feo mandeha etsy sy eroa.
Manaraka lôjika
Ireo mandinika sy mamakafaka ny tontolo politika dia mihevitra fa hisafidy ny hanohana ny iray amin’ireo kandida 33 ny ankolafy Ravalomanana. Izay no safidy politika manaraka ny lojika raha toa ka mbola te ho hita tabilao amin’ny tontolo politika ity ankolafy ity. Tena mbola manana ny heriny ary afaka misedra fifidianana tsara ny ankolafy Ravalomanana, manana ny olony amin’ny Fokontany rehetra manerana ny Nosy, ary manana manampahaizana sy teknisianina, afaka mifanome tanana tsara amin’ny fitantanana ny firenena. Koa raha fanavotana ny firenena marina no tanjona dia tsy mety raha toa ka mitazam-potsiny ity ankolafy ity fa tsy maintsy miezaka maka fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana. Manamafy izany ny filazan’Atoa Rakotoarivelo Mamy nialoha ny fiaingana teny Ivato omaly, manambara fa “ny fanatanterahana io fifidianana terena hatao io dia sady tsy tenierana no tsy andraisan’ny rehefa anjara raha hailika ny Ankolafy Ravalomanana ka tokony hahemotra. Raha izahay manana ny tanjaka sy efa fantatry ny maro no tsy mandray anjara amin’ny fifidianana dia ho filoha «zara fa lany» tsy hananan’ny vahoaka fitokisana no ho avy eo”.
Tsy manan-tsafidy
Maro ny mihevitra fa amin’ny zava-manjo ny firenena amin’izao fotoana dia tsy vahaolana mahomby ny tsy handray anjara amin’ny fifidianana na hanentana ny olona tsy hifidy. Tsy maintsy atrehana ny fifidianana na ho ela na ho haingana ary ny vondrona sy antoko politika sokajiana fa lehibe dia tokony handray anjara feno amin’ny ambaratongam-pifidianana rehetra, miainga any amin’ny sefo Fokontany io ka hatrany amin’ny filoham-pirenena. “Ny fifidianana tsy misy ny ankolafy Ravalomanana dia fifidianana tsy ara-demokratika, tsy ankatoavin’ny olona maro eto Madagasikara”, hoy Atoa Rakotoarivelo Mamy. Raha nanakiana ny fomba nitantanan’i Andry Rajoelina ny tetezamita ny ankolafy Ravalomanana dia tokony hampiseho amin’ny vahoaka fa manana fomba fiasa, fandaharanasa, endri-pitantanana tsara kokoa noho ny hita teto nandritra ny 5 taona izao. Koa raha izay no zava-misy dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manohana ny iray amin’ireo kandida 33 neken’ny CES ity ankolafy ity ka miara-miasa amin’io kandida io. Mazava ho azy fa tsy maintsy kandida mifanakaiky fomba fijery amin’ny akolafy Ravalomanana no hotohanany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.