Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo no hita maty teo afovoan’ny arabe tao Ankirihiry Avaratra – Toamasina omaly maraina.
Tsy nisy namantarana azy ny tarehiny, ny vatany ihany koa potika tanteraka. Tsy nisy mpaka ilay razana raha tsy efa ny tolakandro, raha efa omaly tamin’ny 5 ora maraina no niantso mpamonjy voina ny polisin’ny FIP haka izany. Tsy fantatra mazava ny antony tena nahafaty ity lehilahy ity fa izy efa nitsitra teo afovoan’ny arabe no hitan’ny olona ny maraina. Na izany aza anefa dia notetezin’ny fiara izy. Tsy hay na mbola velona izy no tratran’izany na efa maty.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.