Raha ny voly hasy no nahafantarana an’Ankililoaka any amin’ny Distrikan’i Toliara II teo aloha dia lasa renivohitry ny asan-dahalo ankehitriny. Tamin’ity herinandro ity izao dia omby miisa 500 no lasan’ny dahalo 28 lahy nirongo basy tamina tanàna maromaro, anisan’izany ny tao Ankilimaro. Vehivavy iray nataon’ny malaso takalon’aina nandritra ny fanafihana. Taorian’ny fanarahan-dia, navotsotr’ireo olon-dratsy ity renim-pianakaviana ity, fa ny omby kosa nentin’izy ireo nitsoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.