Miezaka mampandry fahalemana ireo mpitandro ny filaminana ao amin’ny distrikan’Ankazobe.
Porofon’izany ireo olon-dratsy mpangalatra omby miisa 4 matin’ny borigadin’ny zandary Kiangara. Tsy ampy anefa ny isan’izy ireo ary lesoka ihany koa ny fitaovana eo am-pelatanan’izy ireo, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Ravelonanosy Mamy Tiana. Manjaka ny asan-dahalo amin’ny ilany atsinanana avaratra ahitana ny kaominina Antakafana sy Ambolotarakely. Tanàna telo ao anatin’ity kaominina farany ity moa no notafihan’ny andian’olon-dratsy tao anatin’ny 3 herinandro nisesy tapabolana lasa izay. Omby 74 no nanjavona tao Marodaza atsinanana raha 20 tao Ambohimanjaka. Namoizana ain’olona miaraka amin’ny halatra omby rehetra kosa no nitranga tao Ambohimiakatra. Mangataka ny fametrahana «Détachement Autonome de Sécurité na DAS» eo anivon’ny distrikan’Ankazobe moa ny depiote lany tany an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.