Actualités

Ankazobe Trano 600 tafo may, an’arivony ireo traboina


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Olona an’arivony mpitrandraka vato beryl no fantatra fa tsy manana trano fonenana intsony ao Andranomavo Andranomiely, distrikan'Ankazobe, ny faran’ny herinandro teo.

Raha araka ny loharanom-baovao dia tadio no nitondra afo voalohany. Rehefa nitonotony anefa izany dia tonga indray ny firehetana faharoa izay mbola tsy fantatra ny tena niaviany, antony nahakila hotohoto ny trano fonenan’izy ireo. Lehilahy 2 no nosamborin'ireo vahoaka any an-toerana vokatr’izany. Ny iray ahiahian'izy ireo ho nandoro ny trano. Ilay faharoa kosa, lazain'izy ireo fa saika nangalatr'entan'olona, nandritra io voina goavana nitranga io. Misy foana rahateo ny mpanararaotra amin’ny toe-javatra tahaka ireny. Efa naterin’ny fokonolona any amin’ny mpitandro ny filaminana moa ireo lehilahy roa ireo ary efa mandeha ny fanadihadiana mifandraika amin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny firehetana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT