Actualités

Ankazobe Alasora 15 andro tsy nahazo jiro ny mponina


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

15 andro tsy nisitraka herinaratra ireo mponina ao Ankazobe Alasora. Vokatry ny

 

 

halatra tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA no nahatonga izany , tranga niseho ny 21 aprily lasa teo. Ankoatra ny fahatapahan-jiro lavareny iainan’izy ireo dia fantatra ihany koa fa nihena ny tanjaky ny herinaratra eny amin’iny faritra iny ka tsy maintsy hisy foana ireo tokantrano hisedra olana. Raha araka ny fitarainan’ny Renim-pianakaviana iray dia amin’ny labozia hatrany no miana-desona ireo ankizy hiatrika fanadinana amin’ity herinandro ity ho an’Ankazobe Alasora vokatr’izay fahatapahan-jiro lavareny izay. Ho an’ireo miasa mampiasa herinaratra moa toy ireo mpanao volo….. dia nanatsahatra tanteraka ny asany mihitsy izy ireo ka tsy manana fidiram-bola intsony. Voatery nitokona nilanja sora-baventy nanerana ny tanana izy ireo nanoloana izany mba ho tonga any amin’ny JIRAMA ny hafatra.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT